Ny sorona nataon'i Jesosy Kristy

·         Mino izahay fa noho ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, dia nomeny ny Zanany lahitokana, Izay nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra toa antsika, nefa velona tamin'ny nofo tsy nanota. 

Io Zanaka io, Jesosy Kristy, dia maty mba hanao sorona noho ny fahotan'ny olombelona. Ny fiainany, satria Izy no Mpamorona ny olombelona rehetra, dia sarobidy lavitra noho ny fitambaran'ny olombelona rehetra.
·         Noho izany, ny fahafatesany dia ampy handoavana ny onitra amin'ny fahotan'ny olombelona rehetra. Tamin’ny fandoavany izany onitra izany, dia afaka ho voavela heloka ny olona tsirairay, (sy ny olombelona amin'ny ankapobeny), araka ny Planin'Andriamanitra, eo anatrehan’ny sazin’ny ota (Hebreo 4:15; 9:15; 10:12; Jaona 1:18; 3:16; Kolosiana 1: 16-17, 22; 1 Jaona 2: 2; 4:10; Efesiana 1:11; Apokalypsy 13: 8.