Fitsanganana amin’ny Maty sy ny Fitsarana Mandrakizay

·  Mino izahay fa ny hany fanantenana fiainana mandrakizay ho an'ny olombelona mety maty dia ao amin'ny fitsanganana amin'ny maty, noho ny fisian'ny Fanahy Masina ao aminy. Mino izahay fa hisy ny fitsanganana amin'ny maty ara-panahy, amin'ny fiverenan'i Jesosy Kristy, ho an'izay rehetra mpanompon'Andriamanitra mahatoky.

·         Mino izahay fa aorian'ny ny Fanjakan'i Jesosy Kristy arivo taona eto an-tany, hatsangana amin'ny maty ara-batana (nofo aman-drà) ny ankamaroan'ny olombelona rehetra izay niaina. Mino izahay fa ireo olona ireo, rehefa avy nahazo anjara fiainana ara-batana, ary raha miova fo, dia homena fiainana mandrakizay koa. 

        Mino koa izahay fa ireo izay mandà ny famonjena atolotr’Andriamanitra dia hijinja ny fahafatesana mandrakizay (1 Korintiana 15:19, 42-52; Asan’ny Apostoly 23: 6; Jaona 5: 21-29; Romana 6:23; 8: 10-11; 1 Tesaloniana 4:16; Ezekiela 37: 1-14; Apokalypsy 20: 4-5, 11-15; Jaona 3:16; Matio 25:46).