Mino an'Andriamanitra tokana izahay, ny Ray, izay misy mandrakizay ; sady Fanahy; ambony indrindra amin'ny faharanitan-tsaina, ny fitiavana, ny fahamarinana, ny hery ary ny fahefana. Izy ilay namorona ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra aminy, tamin'ny alalany an'i Jesoa Kristy. Izy no loharanon'aina, sady isiam-piainana.
Mino Tompo iray izahay, Jesosy Kristy avy any Nazareta, ilay Teny, ary efa nisy mandrakizay.
Mino izahay fa Izy no Mesia, ilay Kristy, Zanak’Andriamanitra velona, notorontoronina tamin'ny Fanahy Masina, ary naterak’i Maria Virjina tamin'ny nofo.
Mino izahay fa tamin'ny alalany no aharian'Andriamanitra ny zavatra rehetra, ary tsy nisy na inona na inona natao raha tsy taminy.
Mino ny Fanahy Masina izahay, izay Fanahin'Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Ny Fanahy Masina dia herin'Andriamanitra sy Fanahin’ny fiainana mandrakizay (2 Timoty 1: 7; Efesiana 4: 6, 1 Korintiana 8: 6; Jaona 1: 1-4; Kolosiana 1:16).