Mino izahay fa ny olombelona dia noforonina araka ny endrik'Andriamanitra, mety ho tonga Zanak'Andriamanitra, mpandray anjara amin'ny fomban’Andriamanitra.
Noforonin’Andriamanitra ho nofo ny olombelona, avy amin'ny tany.
Ny fofon'aina no iveloman'ny olona; mety maty izy, iharan'ny fahalovana sy fahapotehana; tsy manana fiainana mandrakizay izy, afa-tsy amin'ny alàlan'ny fanomezana avy amin'Andriamanitra, araka ny toetra sy ny teny asehon'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly.
·
Mino izahay fa Andriamanitra nametraka safidy teo amin'i Adama sy Eva, ho fiainana mandrakizay raha mankatò an'Andriamanitra, na ho fahafatesana raha manota.
Tsy nanohitra ny fakampanahy Adama sy Eva. Noho izany dia niditra teto amin'izao tontolo izao ny ota, ary tamin'ny alalan'ny ota, ny fahafatesana.
Manjaka amin’ny olombelona rehetra izao ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra (Genesisy 1:26; 2 Petera 1: 4; Hebreo 9:27; 1 Korintiana 15:22; Romana 5:12; 6:23).