Ny ota sy ny lalàn' Andriamanitra

         Mino izahay fa ny ota dia fandikana ny lalàna. Ara-panahy, lavorary, masina ary tsara ny lalàna. Ny lalàna dia mamaritra ny fitiavana avy amin'Andriamanitra ary mifototra amin'ny fitsipika roa lehibe momba ny fitiavana: fitiavana an'Andriamanitra sy fitiavana ny namana; tsy miovaova ary mbola manankery. Ny Didy Folo dia maneho ireo teboka folo amin'ny lalàm-pitiavan'Andriamanitra.

·         Mino izahay fa ny fanitsakitsahana ny iray amin'ireo didy ireo dia mahatonga ny olona iray ho lasa amin'ny sazin'ny ota.
·         Mino izahay fa ireo lalàna fototra ara-panahy ireo dia mampiharihary ny làlana tokana mankany amin'ny fiainana marina, ary koa ny hany fomba ahazoana fahasambarana, fiadanana sy fifaliana.
       Ny loza rehetra, ny fahantrana rehetra, ny tebiteby sy ny fahoriana dia vokatry ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra (1 Jaona 3: 4; 5: 3; Matio 5: 17-19; 19: 17-19; 22: 37-40 ; Jakoba 2: 10-11; Romana 2: 5-9; 7: 12-14; 13: 8-10).