Ny Andro Firavoravoana Voatendrin' Andriamanitra

·         Mino ny fitandremana ireo Andro Firavoravoana masina fito nodidin'Andriamanitra tamin'ny Isiraely fahiny izahay.
Notandreman’i Jesosy Kristy izy ireo, notandreman’ny Apostoly, sy ny Fiangonana tamin’ny Testamenta Vaovao, ary mbola hotandreman’ny olombelona rehetra mandritra ny Fanjakana Arivo Taona tantanan'i Jesosy Kristy. 
Ireo andro masina ireo dia manambara ny Planin’ny Famonjena (Kolosiana 2: 16-17; 1 Petera 1: 19-20; 1 Korintiana 5: 8; 15: 22-26; 16: 8; Jakoba 1:18; Eksodosy 23: 14-17; Levitikosy 23; Lioka 2: 41-42; 22: 14-15; Jaona 7: 2, 8, 10, 14; Asan’ny Apostoly 2: 1; 18:21; 20:16; Zakaria 14: 16-21).