· Mino izahay fa ny andro fahafito amin'ny herinandro dia Sabatan'ny Tompo Andriamanintsika. Amin'ity andro ity, Andriamanitra mandidy antsika hitsahatra amin'ny asantsika sy hivavaka Aminy, manaraka ny fampianarana sy ny ohatra nomen'i Jesosy, sy ny Apostoly ary ny Fiangonan'ny Testamenta Vaovao
(Genesisy 2: 2-3; Eksodosy 20 : 8-11; 31: 13-17; Levitikosy 23: 3; Isaia 58:13; Hebreo 4: 4-10; Marka 1:21; 2: 27-28; 6: 2; Asa 13: 42-44; 17: 2; 18: 4; Lioka 4:31).