Ny Fiangonana

·    Mino izahay fa ny Fiangonana dia ny vatan'ny mpino izay nandray sy notarihin’ny Fanahy Masina. Ny tena Fiangonan’Andriamanitra dia fikambanana ara-panahy. 
Ny anarany nomena ao amin'ny Baiboly dia "Fiangonan'Andriamanitra".

·         Mino izahay fa ny iraka nampanaovina ny fiangonana dia ny hitory ny Filazantsara (ny Vaovao Tsara) momba ny Fanjakan’Andriamanitra mba ho tonga amin'ny firenena rehetra ho vavolombelona, ary hanampy ireo izay nantsoina ankehitriny hihavana amin’Andriamanitra.
·       Mino izahay fa iraka nomena ny Fianakavian'Andriamanitra ny manamafy sy mampiorina ary mamahana ny zanak'Andriamanitra amin’ny fitiavana sy araka ny torolalan'i Jesosy Kristy Tompontsika (Asa. 2: 38-39, 47; 20:28; Romana 8:14; 14:19; Efesianina 1: 22-23; 3: 14-15; 4: 11-16; 1: 1-2; 5: 18-20; Galatianina 1:13; 1 Tesaloniana 2:14; 2 Tesaloniana 1: 4; 1 Timoty 3: 5, 15; Marka 16:15; Matio 24:14; 28: 18-20; Jaona 6:44, 65; 17:11, 16).